가사 좌표
AF원문 가사
번역이 아직 없습니다. 원문 가사를 표시합니다.
Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa
Ny Fitiavanay anao tsy miala
Fa ho anao, ho anao doria tokoa
Tahionao ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay
Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa
Tahionao ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay
Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao
Ka Ilay Nahary 'zao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao
Tahionao ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay
Tahionao ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay








