Trandremo

Paroles de Trandremo

Durée6:22
Langue originaleFA
Vues78
Coordonnées des paroles

Paroles originales

FA
Traduction indisponible. Les paroles originales sont affichées.
18
Mandady romota ireo trambolahy Misalotra ny faniaman'ireo vazaha mpanjanaka Mody manao asa soa mampiasa vola be soa etsy sy eroa Nefa hanandevo sy handroba ny haren'ireo taranaka Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Tsy renao ve mito ndra kolontsaina ratsy ireo jiolahy? Miadam-pandeha, mampitondra enta-mavesatra Jereo! Mametaveta ireo taranaka Fa loza hoan'ireo izay manaiky ho resin'ireo tsy vanona! Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Tranon-kala e! Hatrany ampaladia Trano be faharatsiana ny trano be izay nihaviana Korotam-peo, karazana teny tsy fantatra Entiny manababo an'ireo kely salosana Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana